» Ary izahay … dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra. «
Ny hahataitra ahy indrindra eo am-pahataperan’ ny fiainana, dia ny hahitako azy ho foana. Fiainana anankiray dia anankiray monja mantsy no nomena ahy, koa raha foana no niainako azy, dia loza tsy azo amboarina intsony.
Ny vao mainka hahataitra amin’ izany dia izao : foana ny nanomezana ahy ny fahasoavana hanao sy hery ho entina hanao ; dia ilay fahasoavana mandevona ny fahadisoana sy fahotana ratsy indrindra sady manarina ny olona mpanota faraidiny. Ny fahasoavan’ Andriamanitra voaray marina am-po dia manan-kery amin’ ny olona rehetra sy ny toe-piainana rehetra na manao ahoana na manao ahoana. Koa ho foana amiko ihany va ?
Ry Tompo ô, afaho sy arovy amin’ izany aho. Arovy tsy ho azon’ ny tsy firaihana sy ny asa tsirambina aho. Arovy tsy ho tratry ny fitaka rehetra mamono ny ara-panahy aho. Arovy tsy ho lavon’ ny fahotana miafina sy ny fahadisoana tsy voavela heloka aho. Arovy tsy ho babon’ ny fahatokiana tsy marina ny fahasoavanao aho.
Ary ampionao aho handray ny fahasoavan’ ny famelan-keloka ho fiainana vaovao sy masina. Omeo fo mafana hiasa ho anao hamonjy ny namako aho fandrao voatakona ho ahy irery ny fitiavanao.
Ampodio ho hery sy fandresena, ary fahamasinana amin’ ny fiainako ny fahasoavanao ! Teneno aho, faizo, anaro, tariho, ampanetreo tena, hamasino, tanteraho ! Anao aho, ka vonjeo !