» Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranaky Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy « .
Tena asa mafy tokoa ny mandrendrika vy. Ny hamafin’ ny vy no anton’ izany. Tsy maintsy mivaivay ny afo mba hampahalemy azy toy ny rano hiesoran’ ny maloto tao aminy. Raha tsy misy izany fandrendrehana izany dia tsy misy vidiny ilay vy. Fa raha voadio kosa izy, dia sarobidy tokoa. Toy izany koa ny volafotsy sy ny volamena.
Tahaka izany no anadiovan’ Andriamanitra ny zanany. Toy ny hamafin’ ny vy ny fony, ka noho izany dia asa mafy koa ny hanadiovana azy. Afo mandevilevy mihitsy no ilaina hampahalemy ny fo. Satria tsy hisy azon ‘ Andriamanitra atao hiasa ao aminy raha mbola mafy fo izy. Izany no ampidirana azy ao amin’ ny afon’ ny fizahan-toetra mahamay. Koa manjary fahasoavana ny afo mahamay amin’ izany. Ireo zanak’ i Levy izay akaiky Azy indrindra sady mpanompo Azy andro aman-alina no dioviny.
Eo akaiky ny fatana fandrendrehana anefa ny Tompo dia mipetraka. Mitandrina fatratra azy Izy, ka tsy avelany hisy hafanana ambony tafahoatra na dia kely aza. Tsy avelany hirehitra ela noho izay tena ilaina koa ny afo, na dia minitra iray aza. Nony hitany ao anatin’ ny volafotsy manganohano ny tarehiny dia faly Izy. Vita ny fizahan-toetra amin’ izay.