« Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany. » Iriko ny hiara-dia amin’ny Mpamonjiko malala ka hijery Azy amin’ny fijaliany farany. Sasatra Izy tamin’ny fiareta-tory sy ny ady am-panahy ary ny fijaliana tamin’ny alina mialoha. Reraka Izy noho ny fanadinana naharitra ora maro…
Mois : mars 2020
« …fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony. » « …hataony araka ny sitrapony », dia ny sitrapo feno halozana, feno fankahalana. Natolony hisetrasetrana araka ny fanirian-dratsin’ireo tsy tia Azy ary hampijaliany ho faty. Ilay masina tsy manan-tsiny dia natolotra eo an-tànan’ny mpanota…
« Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay. » Tsy nampoizin’ny Jiosy ny halehiben’ny loza mahatsiravina hihatra aminy, amin’ny fahatanterahan’ity teny ity: ho simba ny tànanany ka ho feno rà sy fahafatesana, ho rava ny trano honenany, henjehina ny fireneny ka hatao…
« Ary raha hitan’i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe; Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho, fa asanareo. »…
« Hitantsika Jesosy…voasatroka voninahitra aman-daza. » Indray mandeha fahiny, dia voasatro-tsilo Jesosy, fa ankehitriny kosa dia voasatroka voninahitra Izy. Fahiny dia nalam-baraka noho ny fahotantsika Izy, fa ankehitriny kosa dia satrohana voninahitra. Nametraka saroka tsilo teo an-dohany Pilato fahiny, fa ankehitriny dia…
« Ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra Izay efa nampahaleo anay » II korintiana 3.5-6 Ity teny ity dia sady mampahery tena no mampahasahy. Tsy misaraka na oviana na oiana ny fanatren-tena sy ny fahasahiana. Raha tsy misy ny fanetrentena dia tsy misy…
“Ary ny Tompo nitodika ka nijery an’I Petera. Ary Petera nahatsiaro izay tenin’ny Tompo … Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra. “ Mahamenatra! Nianiana izy fa tsy mahalala an’I Jesosy. Nandainga koa sady nandà ny Tompony, Izay nomeny toky…
“Nefa tsy niteny Jesosy.” Kaiafa, mpisoronaben’ny Jiosy nanadina an’I Jesosy Mpisoronaben’ny lanitra. Tao ny vavolombelona maro niampanga Azy; vavolombelona mandainga ireo. Fa Jesosy, tsy niteny. Azon’I Jesosy atao ny nampangina ireo vavolombelona ireo tamin’ny teny indraim-bava, nefa navelany hanao fiampangana…
“ Petera nanaraka teny lavidavitra eny. “ Moa diso va isika raha milaza fa ny anton’ny nandavan’I Petera an’I Jesosy teo an-kianjan’ny mpisorona dia noho izy tsy nety nanaraka an’I Jesosy akaiky fa teny lavidavitra eny? Tsia, fa izany nataon’I…
“Izao no fotoana sy herin’ny maizina.” Nahery ny maizina. Tsy toetra na fotoana fotsiny izy, fa tahaka ny zavatra velona, manana tànana tsy hita maso misambotra ny olona. Fatratra ny heriny. Ny zavatra izay tsy azon’ny olona atao mihitsy amin’ny…