“ Petera nanaraka teny lavidavitra eny. “
Moa diso va isika raha milaza fa ny anton’ny nandavan’I Petera an’I Jesosy teo an-kianjan’ny mpisorona dia noho izy tsy nety nanaraka an’I Jesosy akaiky fa teny lavidavitra eny? Tsia, fa izany nataon’I Petera izany dia mampiseho ny toetry ny fony tamin’izay. Tsaroany fa tokony ho nanaraka an’I Jesosy akaiky sy nanampy Azy izy, fa zavatra nampanantenainy Azy izany.
Niady tao am-pony ny fitiavana sy ny tahotra, ka tsy nety niala ny tahotra.Tsy ampy moa ny herin’ny fitiavana tamin’izay.
Raha mba nanaraka an’I Jesosy tena akaiky Petera, moa ho azony natao va ny ho nandà Azy? Raha teo anilan’I Jesosy Izy tamin’izay dia tsy maintsy ho nahery ny firaisany Taminy. Ny fiadanan’I Jesosy, ny herim-pony sy ny fahasahiany, dia tsy maintsy ho nifindra tamin’I Petera. Ny nipetrahany teo akaikin’I Jesosy ihany dia ho nahazoany hery. Arakaraky ny ipetrahan’ny olona eo akaiky an’I Jesosy no vao mainka itomboan’ny fitiavany Azy. Raha tena nafana ny fitiavan’I Petera an’I Jesosy tamin’izay, dia tsy mba ho nandà Azy izy.
Mitandrema hianao mba tsy ho tonga lavitra an’I Jesosy. Fa raha lavitra Azy dia lavo. Na dia mahery manome toky aza hianao, dia mety ho lavitra Azy ny fonao.