“Nefa tsy niteny Jesosy.” Kaiafa, mpisoronaben’ny Jiosy nanadina an’I Jesosy Mpisoronaben’ny lanitra. Tao ny vavolombelona maro niampanga Azy; vavolombelona mandainga ireo. Fa Jesosy, tsy niteny. Azon’I Jesosy atao ny nampangina ireo vavolombelona ireo tamin’ny teny indraim-bava, nefa navelany hanao fiampangana…