“Izao no fotoana sy herin’ny maizina.”
Nahery ny maizina. Tsy toetra na fotoana fotsiny izy, fa tahaka ny zavatra velona, manana tànana tsy hita maso misambotra ny olona. Fatratra ny heriny.
Ny zavatra izay tsy azon’ny olona atao mihitsy amin’ny atoandro, dia tsy hay resena amin’ny maizina. Karazan’ny Helo ny maizina. Ny herin’ny maizina dia ny herin’ny Devoly. Ny herin’ny maizina no nisambotra an’I Jesosy tao Getsemane ary izany hery izany no nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana sy nahafatesany. Ary na dia tamin’ny atoandro be aza no nahafatesan’i Jesosy dia tonga maizina ny andro.
Arovy amin’ny maizina ny tenanao. Sao hampiala anao amin’I Jesosy izany. “Izao no fotoanareo.” Hoy Jesosy, dia ny fotoana anjakanareo, ahazoan’ny ratsy miditra. “Fotoanareo sy herin’ny maizina.”
Ry Tompo ô, afaho amin’ny herin’ny maizina aho. Aza mitondra ahy eo amin’ny fakam-panahy fa manafaha ahy amin’ny ratsy. Ho fahazavako anie Hianao, ry Tompo ô. Ampodio mazava ny maizina.