Lioka 22: 61-62

“Ary ny Tompo nitodika ka nijery an’I Petera. Ary Petera nahatsiaro izay tenin’ny Tompo … Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra. “

Mahamenatra! Nianiana izy fa tsy mahalala an’I Jesosy. Nandainga koa sady nandà ny Tompony, Izay nomeny toky fa narahiny na dia hatrany amin’ny fahafatesana aza. Nandà Azy in-telo nefa Izy izao. Anelanelan’ny fandavana faharoa sy fahatelo, dia nisy ora iray, ka nisy fotoana hieritreretana. Kanefa na dia izany aza dia nandà an’I Jesosy amin’ny fianianana ihany izy, sady naneso hoe: Izany lehilahy Izany!

Dia tonga namaky ny kianja Jesosy. Nijery ny vahoaka tao Izy ka toa nitady olona. Nitodika azy Izy; ka dia hitany izay notadiaviny. Nifanena ny mason’izy roalahy, dia ny an’I Jesosy sy ny an’i Petera. Nifampijery vetivety izy roalahy, kanefa ampy izay, fa nazava tamin’I Petera izay tian’ny Tompo holazaina taminy. Torotoro ny fon’I Petera. Nivoaka faingana izy, dia nitomany mafy.

Inona no hitan’I Petera teo amin’ny mason’I Jesosy nahatonga azy hahalala izay tian’ny Tompo holazaina aminy. Azo itokiana fa tsy fijery masiaka na tezitra no hitany tao, na fijery feno fanomezan-tsiny sy fanesoana. Angamba nanganohano ny mason’I Jesosy. Na manao ahoana na manao ahoana anefa dia nanambara fitiavana Izy. Ary izany fitiavana izany dia nanambara famelan-keloka, ka izany no nampahalemy an’i Petera sy naha hontsa azy, ary nahatonga azy nitomany mafy.

Hainao va ny hifanatri-maso amin’I Jesosy anio?

Laisser un commentaire