Matio 27:24

« Ary raha hitan’i Pilato fa tsy nahaleo ditra azy izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe; Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho, fa asanareo. »

Nanasa ny tànany tamin’ny rano Pilato. Fihetsehana foana izany, ary fialan-tsinin’ny lehilahy kanosa. Noheveriny fa madio ny tànany nefa nosasany ihany.

Nilaza izy fa tsy manan-tsiny amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity, nefa mamela Azy hohomboana amin’ny hazo fijaliana sy hovonoina rehefa nokapohina sy nampijaliana. Izy manolotra Azy hovonoina, nefa manambara fa tsy tompon’antoka amin’ity. Fantany fa tsy manan-tsiny Jesosy nefa avelany hovonoina amin’ny fahafatesan’ny mpanao fahotam-bevava, ka dia manasa ny tànany madio izy mba ho madio kokoa.

Odrey re, ry Pilato ô, mamitaka ny fanahinao hianao! Milalao anao amin’ny fitak’i Satana ny hakamoana. Misy rà ny tànanao ary tsy mahadio azy ny rano. Ireo pentin-drà amin’ny tànanao ireo dia ho mandra-pahafatinao.

Manolo-tena ho faty izay manary an’i Kristy. Anankiray amin’ny fahotana tsy azo avela izany. Tsy voadion-drano na oviana na oviana ny fanahy toy izany.

Laisser un commentaire