« Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany. »
Iriko ny hiara-dia amin’ny Mpamonjiko malala ka hijery Azy amin’ny fijaliany farany. Sasatra Izy tamin’ny fiareta-tory sy ny ady am-panahy ary ny fijaliana tamin’ny alina mialoha. Reraka Izy noho ny fanadinana naharitra ora maro natao Taminy sy noho ny fampijaliana mafy in-telo nahazo Azy. Nandeha rà ny lamosiny noho ny kapoka mafy ary niraikitra tamin’ny feriny ny Akanjony. Naharary mafy ny an-dohany noho ny hasasarana sy noho ny satroka tsilo nasatroka Azy ary noho ny volotara nakapoka Azy.
Miaramila be no manodidina Azy ka niambina Azy mafy. Miadana ny dia sady angamba mirondrona. Izany no hery farany azony nampiasaina. Tsy lavitra ny tany haleha, nefa toy ny tsy nety ho tapitra ny làlana. Isaky ny mandingana dia feno fangirifiriana. Satria Izy tenany no nivesatra ny hazo fijaliana.
Odrey! Loza! Tsy zakako ny hijery izany! Satria hazo fijaliako io Entiny io fa tsy Azy. Làlam-pijaliako io andehanany io. Fijaliana tokony ho ahy io Iaretany io. Fahafatesako no Ahafatesany.
Menatra dia menatra aho. Torotoro ny foko. Latsaka ny ranomasoko fa mijaly Ilay Masina. Ry Jesosy ô, mahagaga ahy loatra ny netezanao hisolo ahy, nefa aho olona kely, tsinontsinona. Raha mba azoko natao ny hiankohoka eo Anatrehanao sady hitomany hanoroka ny tongotrao.