II korintiana 3.5-6

« Ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra Izay efa nampahaleo anay » II korintiana 3.5-6

Ity teny ity dia sady mampahery tena no mampahasahy.

Tsy misaraka na oviana na oiana ny fanatren-tena sy ny fahasahiana. Raha tsy misy ny fanetrentena dia tsy misy ny fahasahiana araka an’Andriamanitra, fa fahasahian-dratsy ihany. Raha tsy misy ny fahasahiana araka an’Andriamanitra dia tonga fahakiviana ny fanetren-tena.

Nefa hoy ny teny eto hoe : ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra, ka izay no ahaizan’ny mpanompon’Andriamanitra hanetry tena sy ho faly. Tsy mahavita raha izaho tenako fotsiny. Tsy ny fahaleovako tena na ny fahaizako no mavesa-danja ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra fa na dia ny mahay indrindra aza dia tsinontsinona raha tsy momba azy Andriamanitra.

Nefa raha omban’Andriamanitra dia tonga sahy sy mahay aho. Tsy hamoy fo aho na dia heveriko aza fa tsinotsinona ny tenako ka tokony hiala amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra. Tsy ny fahaizako no tadiavin’Andriamanitra fa ny fetezako. Izy tenany ihany no hampahay ahy. Raha Andriamanitra no miantso ahy, dia Izy tenany ihany no tompon’adidy. Ny fiantsoana ataon’Andriamanitra dia arahin’ny hery avy Aminy mandrakariva.

Noho izany dia tsy miankina amin’ny fahaizako ny fahavitako raharaha fa amin’Andriamanitra ihany. Ny hataoko dia ny mihaino tsara ny baiko ataony ka manaraka an’izany.

Laisser un commentaire