« Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay. »
Tsy nampoizin’ny Jiosy ny halehiben’ny loza mahatsiravina hihatra aminy, amin’ny fahatanterahan’ity teny ity: ho simba ny tànanany ka ho feno rà sy fahafatesana, ho rava ny trano honenany, henjehina ny fireneny ka hatao tsinotsinona mandrak’androany. Ny asa rehetra samy manana ny vokany, indrindra izay atao amin’i Jesosy sy ny ota atao; ary ny olona rehetra tsy maintsy handray ny vokatry ny asany na dia heverin’ny sasany aza fa tsy ho loza ny vokatry ny ataony.
Ho aminay mbamin’ny zanakay, hoy ny Jiosy tamin’izay. Ny vokatry ny fahotan’ny olona anankiray dia mazàna tsy mihatra amin’izy tenany irery ihany, fa mety mahatratra ny taranany koa.
Ny ran’i Jesosy izay mahatonga fanamelohana ho an’izay tsy mety mibebaka, dia tonga famonjena kosa ho an’izay mibebaka. « Aoka ny Rany ho aminay. » Ho fanadiovana anay amin’ny fahotana, fa famelan-keloka hahazoana hery sy fandresena. Ho aminay sy ny zanakay. Ny vokatry ny famonjen’ny olona anankiray dia mitatra ho amin’ny hafa. Mifindra amin’ny hafa ny fitahiana azon’ny olona, indrindra fa amin’ny fianakaviana. Ny mandray ny Ran’i Jesosy dia mahazo famonjena ho amin’ny fanahiny, ho an’ny fianakaviany rehetra.