« …fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony. »
« …hataony araka ny sitrapony », dia ny sitrapo feno halozana, feno fankahalana. Natolony hisetrasetrana araka ny fanirian-dratsin’ireo tsy tia Azy ary hampijaliany ho faty. Ilay masina tsy manan-tsiny dia natolotra eo an-tànan’ny mpanota ratsy indrindra. Fa Jesosy dia nangina, niaritra ny fijaliana.
Mbola tahaka izany ihany ankehitriny, fa Jesosy dia atolotry ny olona tsirairay hanaovany araka ny sitrapony. Azon’ny olona atao ny tsy manan-draharaha aminy na maneso Azy.
Azon’ny olona atao ny mandray Azy ka mampiseho fitiavana Azy. Azon’ny olona atao ny manambara Azy ary mankalaza Azy. Azon’ny olona atao ny tsy hiteny ny Aminy, ary dia handà Azy aza. Ilay Mpamonjy voakapoka mafy sy nosatrohan-tsilo mitsangana eo anoloana ankehitriny dia misy manao fanontaniana aminao hoe: Inona no tianao hatao amin’i Jesosy? Natolotra hanaovanao ny sitraponao Izy.
Miankohofa Aminy ary mivavaha Aminy. Aoka hanjaka aminao Izy. Lazao Aminy hoe: Tompo ô, raha natolotra ahy hanaovako ny sitrapoko Hianao, dia manolotra ny sitrapoko ho Anao aho. Anao ny tenako, ka ampiasao araka izay tianao. Tsy hitaraina amin’ny fitondranao ahy aho, na inona na inona no Ataonao. Nijaly, nefa nangina raha teo an-tànan’ny mpanota. Ankehitriny aho dia manolotra ny foko feno fahotana eo an-tànanao aho, ry Mpamonjy. Ampiasao araka izay tianao aho.