“Nefa tsy niteny Jesosy.”
Kaiafa, mpisoronaben’ny Jiosy nanadina an’I Jesosy Mpisoronaben’ny lanitra. Tao ny vavolombelona maro niampanga Azy; vavolombelona mandainga ireo. Fa Jesosy, tsy niteny. Azon’I Jesosy atao ny nampangina ireo vavolombelona ireo tamin’ny teny indraim-bava, nefa navelany hanao fiampangana tsy marina Azy ihany ireo.
Raha misaina ny amin’ny fanginan’I Jesosy tao amin’ny fitsarana isika, dia mandroso bebe kokoa ny eritreritra hoe: Mitsangana ao Jesosy, ampangaina. Vakina aminy ny fahadisoana be tsy tambo isaina, fahadisoana vaventy sy fahadisoana madinika. Ary miampy hatrany hatrany ny fampangana ka tsy mety tapitra. Nefa mangina Jesosy, satria ekeny ho marina ny fiampangana: tsy fahadisoan’ny tenany anefa ireo fa an’ny mpanota, nefa mihatra aminy ihany. Satria ny anton’ny nitsanganany ao amin’ny fitsarana dia noho Izy misolo ny mpanota rehetra. Aoka hovakina ny fiampangana hatramin’ny dinidinika mahatsiravina rehetra. Aoka hatao ny fitsarana, dia ny fitsarana ho faty; fa marina izany. Mangina Jesosy fa manaiky ny fitsarana.
Nefa mbola mandroso ihany ny eritreritra hoe: Mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra niampanga Ahy I Satana; ilay lohan’ny mpiampanga rehetra. Milaza ny fahotako sy ny heloko rehetra amin’Andriamanitra izy. Lazainy amiko avokoa ny dinidinika rehetra. Ary izaho mpanota mahantra mendrika hahazo ny fanamelohana mafy indrindra. Amin’izany, anefa dia tsy mangina Jesosy fa hoy Izy hoe: “Nosoloako izany heloka izany. Foana ny fiampangana, fa Izaho efa nisolo ity mpanota ity. “Dia mangina Satana. Tsy manan-kolazaina intsony Izy. Dia mamoaka fitsarana Andriamanitra hoe: Afaka ny mpanota.