Hebreo 2:9

« Hitantsika Jesosy…voasatroka voninahitra aman-daza. »

Indray mandeha fahiny, dia voasatro-tsilo Jesosy, fa ankehitriny kosa dia voasatroka voninahitra Izy. Fahiny dia nalam-baraka noho ny fahotantsika Izy, fa ankehitriny kosa dia satrohana voninahitra. Nametraka saroka tsilo teo an-dohany Pilato fahiny, fa ankehitriny dia mangataka anao hametraka lakoraona eo an-dohany.

Ny mametraka lakoraona eo an-dohany dia ambony lavitra noho ny midera Azy vetivety, satria tsy ho indray mandeha na vetivety ny anatrohana Azy lakoraona fa mampanjaka Azy mandritra ny fiainantsika. Nefa raha mpanjaka Izy, dia tsarovy fa Tompo koa, ka ny fiainanao rehetra sy ny toetranao rehetra ary ny fanananao rehetra dia hatolotra ho eo ambany fanapahany.

Aza milaza ho mampanjaka Azy hianao raha ny sitraponao ihany no tianao hatao. Ny hevitry ny hoe: Mampanjaka an’i Jesosy dia izao: manolotra ny zavatra rehetra hananany fahefana.

Mpanjakan’ny mpanjaka Izy. Hohobiana amin’ny firavoravoana tsy ho tapitra mandrakizay. Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Aza menatra ny manambara Azy. Voninahitra ny maha-mpanompony. Asehoy amin’ny olona hatramin’ny anio ho hitany mazava tsara fa mampanjaka Azy amin’ny fiainanao hianao.

Laisser un commentaire