MATIO 26:47-56 Fijerin’olombelona. Tonga i Jodasy miaraka amin’ny miaramila hisambotra an’i Jesosy. Raha ny fijery maha-olona dia nahomby ny tetiky ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona (3-5): Voasambotra mangina tamin’ny alina ny Tompo. Oroka sy fanononam-piadanana no endrika ivelany nasehon’i…
Mois : mars 2021
MATIO 26:17-30 Fahamarinana… Ny andro voalohany fihinanana ny mofo tsy misy masirasira (leviora) no fiatombohan’ny Paska (1). Ny zava-masina rehetra dia tsy misy masirasira ka ity fomba ity dia mampahatsiahy ny tokony hialana amin’ny ratsy. Esorina ny masirasira ela mba…
MATIO 26:1-16 Manomboka eto amin’ity toko ity dia miditra amin’ny fitantarana ny vanim-potoana farany amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany isika dia ny nijaliany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Jerosalema: Tao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe no nivory ny lohan’ny mpisorona sy…
OHABOLANA 21:15-31 Ny fiainana tsy tsapan’ny hafa. Tsy vitsy no milaza fa tery saina, tsy mivelatra, tsy mahalala fiainana, tsy mahay mankafy ny eto an-tany, sns… ny kristianina. Fa ny tena fiainana dia izao hita maso izao: harena, voninahitra, lalao,…
OHABOLANA 21:1-14 Iza no mpanapaka? Raha raisintsika fa ny fontsika no fanjakana, iza no manapaka ao izao? Avy ao am-po no hihavian’ny fihevitra tsara sy ratsy rehetra, ary ny ratsy aza no tena manjaka ao. Ny saintsika mety te hiezaka…
OHABOLANA 20:1-15 Tsy mahafehy tena. Ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana sy fimamoana zava-pisotro misy alikaola no hananaran’ny mpanoratra ny Ohabolana eto. Ny fahendrena dia ny tsy manendry azy ireny mba tsy hitarika ho amin’ny tsy fifehezan-tena sy fanaotao foana ary…
OHABOLANA 19:15-29 Kendrena ny hihatsara hatrany. Ny olombelona dia natao hanitsy lalandava izay tsy nety omaly mba ho tonga tsaratsara kokoa rahampitso. Izany no hamaizana ny zaza (am-pandanjalanjàna) (18) na hihainoana fananarana (20). Izany no antony hikapohana ny mpaniratsira na…
OHABOLANA 19:1-14 Ny malahelo (na ny mahantra) sy ny manan-katao. Mety mahantra ny olona iray ka ilaozan’ny rahalahiny sy ny sakaizany (7), kanefa harena lehibe ho azy ny fandehanana tsy misy tsiny (1), fa hahitany sitraka amin’Andriamanitra izany. Ekena fa…
DEOTERONOMIA 34:1-12 Mahatoky ny teny fikasan’Andriamanitra. An-jato taona tany aloha tany (Genesisy 15.13) no efa nambaran’i Jehovah tamin’i Abrahama fa handova ny tany Kanana ny taranany (Genesisy 13.12, 14-15). Indro ankehitriny i Mosesy no vavolombelon’ny fahatanterahan’izany teny fikasana izany (4)…
DEOTERONOMIA 33:18-29 Zebolona, Isakara ary Gada. Zebolona dia nahazo fitahiana amin’izay alehany (18a). Varotra mivezivezy an-dranomasina na jono (19b) ve izany no hataony satria amorontsiraka no misy azy (Genesisy 49.13b)? Isakara kosa voatahy ao an-dainy (18b) izay mety midika fa…