APETRAKA AMIN’NY TOMPO MANONTOLO

OHABOLANA 20:1-15

Tsy mahafehy tena. Ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana sy fimamoana zava-pisotro misy alikaola no hananaran’ny mpanoratra ny Ohabolana eto. Ny fahendrena dia ny tsy manendry azy ireny mba tsy hitarika ho amin’ny tsy fifehezan-tena sy fanaotao foana ary fahotana.Fampitandremana mafy. Tsy maharitra mijery ny hadalan’ny olona ny Tompo Mpanjaka koa dia mananatra mafy mba tsy hanan-dratsy. Avo fitoerana Izy ka mahita ny ratsy rehetra miseho ety ambany masoandro. Hainy ny manavaka ny hendry, ny manan-tsaina, ny vanona, ny olona matoky amin’ny olona adala, ny kamo, ny mpidera tena. Koa iza amin’ireo isika?Ilay Mpamela heloka. Mijery sy mitantana mahitsy fa tsy miolakolaka, tsy manao ny tsy marina ny Tompo. Izy ilay tsy manan-tsiny ihany no afaka manadio ny fontsika ho afaka amin’ny tsy fahamendrehana rehetra. Ny fifikirantsika Aminy sy ny Teniny no hery hahafahantsika mandeha sy miaina toa Azy: mandeha amin’ny fahitsiana, amin’ny fahamarinana ary mankahala ny ratsy rehetra.

Vavaka: Ampio aho Tompo hahay hitondra tena, ho mendriky ny fahatsaranao. Amen

Laisser un commentaire