OHABOLANA 19:1-14
Ny malahelo (na ny mahantra) sy ny manan-katao. Mety mahantra ny olona iray ka ilaozan’ny rahalahiny sy ny sakaizany (7), kanefa harena lehibe ho azy ny fandehanana tsy misy tsiny (1), fa hahitany sitraka amin’Andriamanitra izany. Ekena fa mety ho lova tsara tokoa ny harena (14a) kanefa ny fifandraisan’ny olona amin’ny mpanan-karena indraindray dia tsy tena madio fa fitadiavana tombontsoa ihany (4, 6). Mila mitandrina ary ny tsirairay amin’ny fifandraisana amin’ny hafa mba tsy hankinina amin’ny fananana na tsia izany fa mba ho tena fifandraisana mendrika ny maha-olona.Ny lainga sy ny marina. Lozan’izay vavolombelona mandainga fa tsy ho afa-tsiny amin’izany izy (5,9). Tsy azo lavina anefa fa indraindray “ny marina mitavozavoza tsy maharesy ny lainga tsara lahatra” ka misy tokoa ny vavolombelona mandainga mahazo rariny fa ny marina kosa dia voaheloka. Tamin’ny fitsarana an’i Jesosy Tompo, moa ve tsy nisy vavolombelona mandainga niampanga Azy (Matio 26.59) ary ny niafaran’ny raharaha ve tsy voaheloka Ilay Marina (Matio 27.24b)? Any amin’ny fitsaran’ny lanitra izany vao tena hibaribary ny lainga rehetra sy ny marina (Romana 2.15-16).Ny fahendrena sy ny hadalàna. Tsy mahasoa velively ny tsy fananam-pahalalana (2) ary ny zanaka adala dia mampahory ny rainy (13). Ny olona tia fahendrena no tena mikatsaka izay hahasoa ny tenany (8) ary mahay manindry ny fahatezerany (11). Ny vady hendry aza dia fanomezana avy amin’i Jehovah tsotra izao (14b)!
Katsaho mihoatra noho ny harena ary ny fahendrena sy ny fahamarinana avy amin’ny Tompo.