OHABOLANA 19:15-29
Kendrena ny hihatsara hatrany. Ny olombelona dia natao hanitsy lalandava izay tsy nety omaly mba ho tonga tsaratsara kokoa rahampitso. Izany no hamaizana ny zaza (am-pandanjalanjàna) (18) na hihainoana fananarana (20). Izany no antony hikapohana ny mpaniratsira na ananarana ny manan-tsaina (25). Fa izay tsy mba te-hiova ho tsara kosa dia ho ratsy fiafara: ny malaina dia ho noana amin’ny farany (15, 24), ny olona lozabe hampijaliana (19) ary ny mpaniratsira hohelohina (29). Ny hahatsara fiafara ny olona anefa no sitrak’Andriamanitra satria hoy indrindra Izy hoe “Moa sitrako…va ny hahafatesan’ny ratsy fanahy… fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy” (Ezekiela 18.23).Fitodihana amin’Andriamanitra no vaha-olana! Ny fahatahorana an’i Jehovah no ahazoana fiainana (23a) ary ny fisainan’i Jehovah no haharitra (21). Izy no mamaly fitia ireo olona mpanao ny tsara tahaka ireo izay mitsimbina ny mahantra (17).
Asehon’ny filazantsara anefa fa na dia miezaka hanao ny tsara aza ny olombelona dia lavo amin’ny ratsy hatrany satria mbola fehezin’ny herin’ny ota izy. Mila hery avy any ambony izy hialany amin’izany ota izany ka i Jesosy no mitondra ny vahaolana satria “Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1.12), hany ka “ao amin’i Kristy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana” (Romana 8.2).
Mbola tsy tara raha anio no mibebaka: satria ny fahatahorana an’i Jehovah no ahazoana fiainana dia ny fiaikena heloka eo anatrehany no zavatra maika indrindra hatao.