FANJAKAN’IZA ?

OHABOLANA 21:1-14

Iza no mpanapaka? Raha raisintsika fa ny fontsika no fanjakana, iza no manapaka ao izao? Avy ao am-po no hihavian’ny fihevitra tsara sy ratsy rehetra, ary ny ratsy aza no tena manjaka ao. Ny saintsika mety te hiezaka hanao izay mety sy izay heverintsika ho tsara ihany, fa mahery loatra indraindray ilay hery manjaka, mifehy ny fontsika; mahatonga antsika tsy hahafehy ny atao, ny lazaina, eny fa hatramin’ny fisainana aza. Te-hanapaka sy hitondra ny fontsika ny Tompo, amin’izay tiany, izay fantany fa tena hahasoa antsika.

Kanefa antsika ny fanapahan-kevitra fa tsy Azy. Hanaiky sa handa ny ho tapahiny? Teny tsotra no andrasan’ny Tompo amintsika avy: Eny na tsia. Azy ny sisa.Ny fo hanjakan’ny Tompo. Dia miaina eo amban’ny fitarihan’ny Fanahiny.Manao ny marina sy mahitsy, tsy miavona, tsy mandainga, madio fo, antra, tsy miebobo. Iza no tsy maniry hanana toetra toa izany? “Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Lioka 11.13.

Vavaka: Atolotro Anao anio ny foko, raiso Tompo o, hanjakao ! Amena

Laisser un commentaire