MATIO 26:47-56
Fijerin’olombelona. Tonga i Jodasy miaraka amin’ny miaramila hisambotra an’i Jesosy. Raha ny fijery maha-olona dia nahomby ny tetiky ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona (3-5): Voasambotra mangina tamin’ny alina ny Tompo. Oroka sy fanononam-piadanana no endrika ivelany nasehon’i Jodasy (48-50) nefa teti-dratsy feno fitaka sy fihatsarambelatsihy no tao ambadik’izany.Fanoherana ny herisetra amin’ny herisetra ihany koa no setriny nentin’i Petera namaly ireto mpisambotra (Jaona 18,10). Mbola azon’Andriamanitra atao tokoa eto ny mamonjy ny Zanany raha toa ka mangataka izany Izy (53) saingy ahoana no hahatanteraka ny famonjena raha izay no nataony ?Làlan’Andriamanitra. Tsy izay zavatra jerena ety ivelany tokoa no tena marina.
Efa fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny haniraka ny Zanany hamonjy ny olombelona amin’ny fahotany ary nandeha arak’izay voasoratra sy voalazan’ny mpaminany (54 sy 56) ny fiainan’i Jesosy Kristy hatramin’ny nanambaran’ny anjely ny hahaterahany (Matio 1,18-21) ka hatramin’izao hidirany amin’ny fijaliana sy fahafatesany izao. Eny, na ny Anarana hiantsoana Azy aza dia Jesosy satria Izy no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany. Ilay toa faharesen’ny Zanany hay no làlana efa novolavolain’Andriamanitra handresena ny fahotana sy ny fahafatesana. « Endrey, ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalàny; tsy hita pesipesenina ny didim-pitsaràny, tsy azo fantarina ny lalany ».
Saintsaino: • Lafovidy ny famonjena atolotry ny Tompo ahy! Raisiko ve izany?• Amin’ny fiainako isan’andro, miezaka hahita ny làlan’Andriamanitra sy ny sitrapony koa ve aho sa matoky izay hitako eto ivelany fotsiny ?