DEOTERONOMIA 33:18-29
Zebolona, Isakara ary Gada. Zebolona dia nahazo fitahiana amin’izay alehany (18a). Varotra mivezivezy an-dranomasina na jono (19b) ve izany no hataony satria amorontsiraka no misy azy (Genesisy 49.13b)? Isakara kosa voatahy ao an-dainy (18b) izay mety midika fa azo antoka ny fitoerany manoloana ny fahavalony. Gada indray dia oharina amin’ny liona vavy mamitsaka fa voky satria nandresy fahavalo (20). Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy satria anisan’ny niady voalohany hahazoana ny lovany kanefa dia nanaraka ny fahamarinan’i Jehovah koa (21b) satria nanampy ny rahalahany niady (Nomery 32.16-21).Dana, Naftaly, Asera ary Simeona. Dana (22) dia zana-diona (mariky ny hery) miantsampy avy ao Basana izay lasa lovan’i Manase (Deoteronomia 3.3,13). Tsy voasoratra mazava ny ifandraisan’i Dana amin’io Basana io. Mamy tokoa ny tsodranon’i Naftaly satria “voky fankasitrahana ka feno ny fitahian’i Jehovah” (23). Efa manambara ny filazantsara ve izany satria Kapernaomy tao Naftaly no toerana nipetrahan’i Jesoa (Matio 4.13-16)? Ny lovan’i Asera any avaratr’Isiraely dia toerana tena tsara anirian’ny oliva ka ny fandrobohana tongony amin’ny diloilo (24b) dia mety ilazàna fanorotoroana ny voan’oliva amin’ny tongotra. Fa aiza kosa ny tsodranon’i Simeona ? Sa tafiditra amin’ny tsodranon’i Joda ve izy satria ny lovany tafiditra ao amin’ny lovan’i Joda (Josoa 19.1)?
Hafa mihitsy Jehovah. Tsy misy Andriamanitra tahaka azy velively (26-27a) kanefa koa dia tsy misy firenena tahaka an’Isiraely, olona voavonjin’i Jehovah ka arovany mafy (27b-29).Sambatra e ( 29a)! Mahatsiaro sambatra tokoa ve isika olom-boavonjin’i Kristy ?