MATIO 26:17-30
Fahamarinana… Ny andro voalohany fihinanana ny mofo tsy misy masirasira (leviora) no fiatombohan’ny Paska (1). Ny zava-masina rehetra dia tsy misy masirasira ka ity fomba ity dia mampahatsiahy ny tokony hialana amin’ny ratsy. Esorina ny masirasira ela mba ho vongana vaovao isika fa voavono Kristy Paska ho antsika (1 Korintiana 5.7).Jesosy koa eto, tamin’ny sakafo farany, dia niantso ny mpianany handini-tena tamin’ny nilazany hoe ny iray amin’izy ireo no hanolotra Azy (21 DIEM). Ny fanontaniana napetraky ny tsirairay dia tsy hoe « Iza aminay no hanolotra Anao » fa hoe « Moa izaho va izany, Tompoko ». Nahoana tokoa re? Toa milaza hoe samy mahatsiaro tena ho afa-nanolotra an’i Jesosy daholo ny mpianatra 12 lahy…
Fitiavana. Raha mbola teo am-pihinanana kosa izy rehetra no nandray sy namaky ny mofo Jesosy: ny mofo novakiana no endriky ny tenany atolony ho an’izay mino Azy. Fanekena fa raisiko ho ahy manokana ny nataony, ny fahafatesany, mba hamonjena ahy sy ahafahako manana fifandraisana velona aminy (26).Toy izany koa izay misotro ny rany dia manaiky hiditra ao amin’ilay Fanekem-pihavanana vaovao ataon’Andriamanitra ka andraisana ny famelan-keloka amin’ny alalany sy amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy (27).
Saintsaino: Tsy ny mandray ny fanasan’ny Tompo no voavonjy fa izay voavonjy no mihinana ny nofon’ny Tompo sy misotro ny rany ho fahatsiarovana Azy sy ho fampahatsiahivana fa misy fanantenana velona ny mbola hiarahana misotro divay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (29).