MATIO 26:1-16
Manomboka eto amin’ity toko ity dia miditra amin’ny fitantarana ny vanim-potoana farany amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany isika dia ny nijaliany, ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Jerosalema: Tao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe no nivory ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona: nitady hevitra ny hamonoana an’i Jesosy na dia am-pitaka aza (4). Nihevitra ho tompon’ny fahefana sy ny aina ka izay tapany no ho tanteraka, nihevitra ho tompon’ny fotoana ihany koa ka tsy amin’ny andro firavoravoana no hotanterahina izany sao misy tabataba.
Ny olona jamban’ny vola, Jodasy, na dia isan’ny mpianatra aza, dia namonjy ity antoko ity ka nanolo-kevitra ny hanolorany azy ireo an’i Jesosy sandaina vola. (14-16).Betania: Seho faharoa: taiza i Jesosy? Tao an-tranon’i Simona tao Betania, telo kilometatra avy eo Izy (Jaona 11,18 DIEM). Nisy ireo nikaro-kevitra hamonoana Azy fa ity vehivavy tsy voalaza anarana akory ity kosa dia nandray azy am-pitiavana sy am-boninahitra ka nanosotra diloilo sarobidy ny lohany teo am-pihinanana. Fihetsika fanosorana sy fanendrena ireo omena iraka manokana toy ny mpanjaka (ohatra 2 Mpanjaka 9,3) izany. Jesosy kosa manambara fa izany fihetsika izany dia efa fanomanana ny fandevenana azy. Ny nataon’ilay vehivavy am-pitiavana ho Azy dia ny Tompo no mamadika izany hanana antony sy fiantraikany mandrakizay.
Saintsaino: Jesosy efa mahalala ny lalana izorany sy ny fotoana hahatanteraka izany. Isika kosa antsoiny hifantoka Aminy sy hanao ny zavatra rehetra ho Azy (Kolosiana 3,23).