NY FIAINANA AO AMIN’NY TOMPO

OHABOLANA 21:15-31

Ny fiainana tsy tsapan’ny hafa. Tsy vitsy no milaza fa tery saina, tsy mivelatra, tsy mahalala fiainana, tsy mahay mankafy ny eto an-tany, sns… ny kristianina. Fa ny tena fiainana dia izao hita maso izao: harena, voninahitra, lalao, korana, fisotroana, filibana, sns…koa. Ny tsy fantatra, ny tsy hay ary tsy tsapan’ny olona anefa dia misy ny maharitra sy ny vetivety, misy ny mitoetra sy ny mandalo, misy ny fiainana sy ny Fiainana.

Ilay Fiainana miaraka amin’ny Tompo no ilay Fiainana tsy sarintsariny, hanana toetra sy toe-po miaina sy manao izay tsara sy mahafinaritra ary maha-te ho tia fa tsy ezaka. Hanana fanahy mahay manavaka ny tena tsara sy ny fitaka. Hanana fo tena miaina am-piadanana na dia tsy manana izay heverin’izao tontolo izao fa fahampiana sy fahafenoana aza.Andriamanitra mametra ny faharatsiana. Na dia heverina aza fa mizotra mankany amin’ny fanaranam-po sy faharatsiana izao tontolo izao, Andriamanitra kosa dia efa mampitandrina fa fahafatesana (mandrakizay) no setrin’izany (16). Raha manomana fandresena ho an’ny olony Izy, dia faharesena sy fahatezerana tsy roa aman-tany kosa ho an’izay rehetra misafidy ny tsy hanaiky Azy.

Hafatra: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy”.Salamo 34.8

Laisser un commentaire