ANDRIAMANITRA IRERY NO TSY HAY SOLOINA

DEOTERONOMIA 34:1-12

Mahatoky ny teny fikasan’Andriamanitra. An-jato taona tany aloha tany (Genesisy 15.13) no efa nambaran’i Jehovah tamin’i Abrahama fa handova ny tany Kanana ny taranany (Genesisy 13.12, 14-15). Indro ankehitriny i Mosesy no vavolombelon’ny fahatanterahan’izany teny fikasana izany (4) ka nasehon’Andriamanitra taminy avy lavitra (1a) ireo tany holovan’ny Zanak’Isiraely (1b-3). Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy tanteraka avokoa “fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro… eny na mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona” (Habakoka 2.3).

Ho tanteraka toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny fiverenan’i Jesosy Tompo, ilay taranak’i Abrahama hitahiana ny firenena rehetra (Galatiana 3.14-16) izay hampiditra ny mpino ao Kanana ambony. Mandalo avokoa ny mpanompon’Andriamanitra. Nahatratra 120 taona i Mosesy (7) kanefa tsy maintsy maty ihany (5). Na dia tsy nisy mpaminany nitovy taminy intsony aza tamin’ny fifandraisana tamin’Andriamanitra (10) sy tamin’ny famantarana (11-12), dia nisy fetrany ihany ny fanompoany. Soa fa efa nisy olona nomanin’Andriamanitra hisolo azy dia i Josoa izany (9), izay efa nofanin’i Mosesy nandritra ny fotoana sahaza. 

Nafenin’Andriamanitra tamin’ny olona ny fasan’i Mosesy (6) angamba mba hialana amin’ny fanaovana fivahiniana masina amin’io fasana io ka mety ny fahatsiarovana an’i Mosesy no havesa-danja lavitra noho ny fifikirana amin’i Jehovah ilay notompoin’i Mosesy. Omany mialoha ny hisolo. Sarotra amin’ny mpanompon’Adriamanitra mahomby ny mamela ny asa amin’olon-kafa kanefa tokony tsy ho tara izy hitady “Josoa” handimby azy rehefa tsy ho eo intsony izy.

Laisser un commentaire