» Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra « .
Momba ny fiainana kristiana ny tahotra an’ Andriamanitra. Raha maty ao am-pon’ny olona ny tahotra an’ Andriamanitra, dia maty koa ny fanahin’izany olona izany. Hoy Lotera : » Sambatra ny olona matahotra an’ Andriamanitra « . Ny kristiana dia antsoina hoe : Ny manana tahotra an’ Andriamanitra. Amin’ny firenena tsy misy tahotra an’ Andriamanitra dia tsy misy kristiana.
Indrindra indrindra tsy misy fahamasinana raha tsy misy tahotra an’ Andriamanitra. Hoy i Paoly : » Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo « . Aoka isika hitondra tena amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra amin’izao fotoana ivahinianantsika izao, mba hahatanterahantsika ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra.
Ny fanazavana ny didy folon’ Andriamanitra dia miantomboka toy izao : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’ Andriamanitra isika. Ny làlana lava sy tery aleha amin’ny fahamasinana koa dia miantomboka amin’izao : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’ Andriamanitra hianao.
Tsy tahotry ny andevo no hananantsika, fa ny fitiavana no hanery antsika hanana azy, ka ho tahotra fanomezam-boninahitra sy fanajana Ray. Ny fitiavana dia matahotra ny hampalahelo izay tiana. Koa aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra.