» Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka. » Ho toetry ny mponina ao Jerosalema vaovao izany. Raha mbola ety an-tany isika dia azon’aretina maro karazana sy fanaintainana vokatr’izany. Voan’ny fitiavan-tena…
Mois : juillet 2020
« Fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako. » Fahasoavana! Tena marina va izany? Eny tokoa, tsara hianao Andriamanitra ô. Ny kristiana tsy maintsy harahin’ny fahasoavana. Tsy ny fahasoavana ihany no lazain’ny mpanao Salamo amin’ny faha-23, fa manambara koa…
« Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay; satria Hianao Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana tsy manana ahiahy. » « Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao ka hanandrandra aho. » Izany no fiainana isan’andron’ny kristiana. Nony…
» Tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ny halehiben’ny indrafonao ». Maneho zavatra telo ny amin’ny vavaka ity teny ity. 1° – Ny maha-vavaka ny vavaka dia ny anaovana azy amim-panetre-tena. Ny amelan’ Andriamanitra antsika hivavaka dia…
» Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty Amiko. » Tsy misy elatra mahery tahaka ny an’ny voromahery. Mety sasatra ny an’ny vorona hafa; ny an’ny fody,…
« Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. » Jesosy nanao tamin’ny rain-drazazalahy hoe: » Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. » Gaga ralehilahy ka nieritreritra momba ny finoana. Izay tsy vitan’ny olona na amin’inona na amin’inona dia vitan’ny finoana. Nijoro…
« Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako ». Tsy i Kaina irery no miteny fa izay rehetra mahalala tena tokoa fa mpanota, dia tokony hiteny hoe: Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako. Eny, iza no manan-kery hitondrana ny…
« Andriamanitray ô, ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindram-po. Hositraniko ny fihodinany. Ho tia azy tsy vozonana Aho ». Ahazoan’ny olo-mino fampiononana lehibe ny ahalalany fa tsy vozonana Andriamanitra ho tia ny mpanota. Izy tenany no mifidy ny ho tia, ary mifidy…
» Izaho Jehovah no Andriamanitrao. Izay mampanonja ny ranomasina ka dia mirohondrohona izy. Ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao ». Tsy zavatra sendrasendra no anonjan’ny ranomasina sy irohondrohon’ny onjany ka mahatonga anao hanahy sao hilentika ao. Ny fahasahirananao…
» Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. » Ny tahotra an’ Andriamanitra dia tsy azo avela hiala ao ampon’ny kristiana na oviana na oviana. Raha miala ao aminy izany dia ambavahaonan’ny fahafatesana ny fanahiny. Eritrereto izao: Samy…