» Aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra ? Raha te-hifandahatra aminy Izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ny arivo aza. Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ny hery « .
Raha sarotra loatra ny fitondran’ Andriamanitra dia misento lalina ny olo-mino sasany ka maniry hifandahatra aminy.
Nefa iza no mahazo rariny eo anatrehan’ Andriamanitra ? Tsy misy mahavaly teny Azy na iray amin’ny arivo aza, satria hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ny hery.
Izy mahalala izay mahasoa anao noho hianao. Manan-kery hamonjena anao Izy. Na dia mafy indrindra aza ny tafio-drivotry ny fahoriana manohitra ny sambon’ny fiainantsika, dia mahatoky mihoatra lavitra noho izany no itanan’ Andriamanitra ny familian-tsambo noho ny itanantsika azy amin’ny andro tony sy tsara aza. Noho izany dia aza mifandahatra Aminy. Izao no ataovy: Avelao hanjaka amin’ny fiainanao manontolo Izy.