» Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho « .
Zava-dehibe amin’ Andriamanitra ny mitana antsika amin’ny toerana tandrify antsika, satria na zavatra kely aza no tsara vitantsika, dia mirehareha na miseho miavona isika. Sarotra mandrakariva kosa ny hampanetry tena antsika. Na dia fitahian’ Andriamanitra antsika aza, na ny fahasoavana manokana omena antsika fa tsy omena ny hafa aza dia mahatonga antsika hiavona amin’ny namantsika.
Koa raha ny fahasoavan’ Andriamanitra aza mahatonga antsika hirehareha, dia miharihary amin’ izany fa simba ny toetrantsika olombelona.
Nefa tsy mijanona amin’ny fikarakarana antsika Andriamanitra. Mikarakara antsika amim-pahendrena, feno fahasoavana Izy. Mikapoka antsika Izy indraindray. Na dia Satana aza dia irahiny mba hampanetry tena antsika. Avelany hanindrona ny nofontsika ny tsilo. Ataony izay hahatsapantsika ny fahalementsika sy fahambaniantsika. Ary na ny vavaka ataontsika hanafahana antsika amin’ny tsilo manindrona ny nofontsika aza dia tiany haharitra mba hampanetry tena antsika. Satria tiany ny hanome antsika fitahiana amin’ izany, dia ny fahasoavana.
Ny Tiany koa, dia ny hampiseho aminao fa ampy ny Fahasoavany sy ny hahatonga anao hanaiky fa ny fahalemenao no fahatanjahanao. Noho izany dia aza kivy amin’ny anindronan’ ny tsilo anao. Ilaina hisy izany hampanetry tena anao.