« Ampy ho anao ny fahasoavako ». Teny lehibe mampiravoravo tokoa ity hoe: Fahasoavana. Ho an’ny olona rehetra izany, dia izay rehetra te-hahazo sy te-handray azy. Amin’ireny fahasoavana ireny, dia tahaka ny tànana mangaoka ny fahotan’ny olona hatramin’ny fanambaniny, ka manandratra izany…