» Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana « .
Odray, alina maizina tokoa. Fa nony ampitso marainan’ iny dia ho faty Petera. Ary nahalala izany ny tenany. Vao novoina faingana teo i Jakoba rahalahin’i Jaona. Novonoina tamin’ny sabatra izy; ary homba amin’ izany làlam-pahafatesana izany koa izao Petera. Nogadraina tamin’ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina iray avy teo andaniny roa; ary nisy mpiambina hafa koa teo ivelan’ny tranomaizina, niambina azy. Nefa natory Petera.
Tsy nanahy izy, satria tsy misy zavatra nanelanelana azy amin’ Andriamanitra akory. Natoky sy niadana izy. Raha hanafaka azy Andriamanitra dia ho tanteraka tokoa izany. Ary raha ho faty izy dia efa vonona ho amin’ izany. Miadana ny fanahiny sy ny sainy ka natory izy.
Odray, izany fiadanana ! Tian’ Andriamanitra ny hananantsika rehetra izany fiadanana izany amin’ny toe-piainantsika rehetra na inona na inona ataontsika ary na aiza na aiza misy antsika, na mijaly ny tenantsika na mitoetra irery isika na zohin’ny sarotra ary na eo am-bavahoan’ny fahafatesana aza. Izany fiadanana izany dia mihoatra noho ny fahalalana rehetra.