Hebreo 10:35

 » Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe  » .

Indraindray dia misy zavatra ariantsika, satria tsy misy ilàna azy intsony. Mazàna tsy mba toy izany no anariana ny fahasahiantsika.

Mety ho lasa ny fahasahiantsika noho ny tsi-iarovantsika azy sy noho ny tsi-iheverantsika azy. Rehefa tena tsy eo intsony izy vao mahatsiaro azy amin’ alahelo isika. Izay mahasolo azy dia hakiviana sy tahotra aloha.

Noho izany, dia tsy maintsy hitandrina mafy isika sao manary ny fahasahiantsika. Koa aza avela tsy hiasa izy, fa tonga hadinonao ka very. Arakaraka ny ampiasanao azy mantsy no itandremanao azy. Ary eo am-piasana azy no itomboany. Raha ny tahotra olona no omena ny toeran’ Andriamanitra vao mainka hahatonga anao ho sarotahotra. Fa izay ateraky ny tahotra dia tahotra ihany.

Raha hitanao, fa tsy misy intsony ny fahasahianao, dia aoka hotadiavinao izy. Ao amin’i Kristy no hahitanao azy.  » Kristy Jesosy Tompontsika, Izay ananantsika fahasahiana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy  » , no voalazan’ny teny ao amin’ny Efesiana 2.12.

Raiso sy ampiasao ny fahasahiana omen’ i Jesosy anao, ary tandremo tsy hanary azy intsony.

Laisser un commentaire