1 Petera 5:10

 » Andriamanitry ny fahasoavana rehetra « .

Fahasoavana rehetra. Fahasoavana ho an’ny mpanota rehetra tsy ankanavaka na lahy na vavy. Andriamanitra tsy manisa na tsy mihevitra ny fanompoana Azy ho zava-dehibe ambony hahatonga Azy hanisy soa na hahatonga Azy hamela heloka olona; fa maimaimpoana no anaovany izany, ary lalàna manjaka amin’ny Fanjakany io. Manana fahasoavana be dia be hoatry ny ranomasina Andriamanitra. Mbola atahoranao ho tsy ampy va ny fahasoavany?

Miankohofa eo anatrehan’ Andriamanitra hianao, ka misotroa amin’ny rano tsy vidim-bola fa omena maimaimpoana. Andramo Izy fa eo anoloanao izy rehetra. Misotroa ka hevero raha hahalany azy hianao. Iza moa no tsy hahazo fahasoavana be raha eo amin’ Ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra no ahazoany izany ?

Fahasoavana rehetra. Milaza fahasoavana maro karazana ny tenin’ Andriamanitra. Ampy ho amin’ny zavatra rehetra ny fahasoavan’ Andriamanitra. Miaro anao amin’ny loza Izy, manamasina anao Izy, mampahery anao handresy ny ratsy Izy, mampifaly anao, manome hery anao handrosoanao amin’ny toe-panahy mendrika ny lanitra. Tsy takatrao ny halalin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Andriamanitry ny fahasoavana rehetra Izy, Andriamanitrao Izy ary mampahendry anao, mampitoetra anao, mampahery anao, ary mampiorina anao.

Miankiina amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra rehetra.

Laisser un commentaire