» Fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro « .
Tsara tokoa ny mandeha amin’ny làlana mazava, ary vao mainka tsara raha mihamazava miandalana izy. Izao kosa no voalaza momba ny làlan’ny ratsy fanahy araka ny andininy manaraka hoe: » Ny alehan’ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; tsy fantany akory izay manafintohina azy « . Tsy ny fijaliana na ny fahaporetana no manamaizina ny fiainan’ny olombelona, fa ny tsi-finoana sy ny fahotana.
Izay mandeha amin’ny làlan’ny marina, dia mandeha amin’ny mazava. Angamba toy ny mazava kely bitika amin’ny alina izy aloha, nefa ampy hanazava ny dian-tongotra iray na roa. Hihamazava hatrany nefa ny làlana mandra-pitataovovonan’ny andro.
Aza matahotra hianao na dia heverinao ho mitsilopilopy sy kely aza ny mazava amin’ny làlana alehanao. Mbola hihamazava arakaraka ny handrosoanao an-dàlana izy. Izao ihany no tsy maintsy hataonao: ny hiala tanteraka amin’ny làlan’ny ratsy fanahy mbamin’ny maizina rehetra. Ilay mazava hidiranao amin’izany dia hanazava voalohany indrindra ny tenin’ Andriamanitra aminao, ka hanjary kintana mamirapiratra ireo teny fampanantenana maro nataon’ Andriamanitra, dia kintana mbola hamirapiratra amin’ny làlana mbola halehanao no hanazava izay zava-miafina saro-pantarina nanjo anao taloha.
Mbola hampahiratra ny masonao koa ilay mazava hahitanao tsara lavitra noho ny taloha ny Mpamonjy anao, dia Jesosy Kristy. Izy no tena fahazavan’ izao tontolo izao, ka ho fahazavana amin’ny fiainanao koa. Ary raha Izy no hitanao, dia ho tanteraka aminao ny hoe: Mitataovovonana ny andro, izany hoe: Izay manaraka an’i Jesosy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina, araka ny ilazan’i Jesosy azy. ( Jaona 8.12 )