» Ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidian’ Andriamanitra dia ny atao ho tsy misy aza mba hahafoana ny misy « .
Tahaka izany Andriamanitra. Miandany amin’ny mahantra Izy, ka miandany aminao koa.
Manatona hampionona anao Andriamanitra anio. Mety ho kivy hianao ka mila hamoifo noho ny anevatevan’ny olona sy iheverany anao ho ambany. Nefa hevero fa misy antony ny nametrahan’ Andriamanitra ho amin’io toerana iheveran’ny olona anao io.
Fa ny malemy sy ny ambany amin’izao tontolo izao, dia ireo izay ataon’ny olona iva razana sy fanevatevam-bahoaka, no efa nofidian’ Andriamanitra ho Azy, eny ireo izay atao ho toy ny tsy misy aza. Fantany mialoha ny nofidiny. Ka fony tsy mbola misy aza isika, dia efa fantany. Nefa noho Izy be fitiavana sy feno famindram-po dia mifidy antsika. Nanao izany Izy mba hampanetry tena ny mihevi-tena ho zavatra.
Matokia ary hianao izay manisa ny tenanao ho naman’ny ambany sy fanevatevam-bahoaka, fa isan’ny voafidy. Andriamanitra izay nifidy anao dia tsy handroaka anao na oviana na oviana raha tsy ny tenanao no hiala handao Azy.