» Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra « .
Tian’ny Tompo homena anao ity teny ity anio; satria hitany fa mila azy hianao. Tsy zava-bahiny amintsika olombelona moa ny fanahiana. Mamesatra ny fontsika izy, ka hoatry ny tsy mamela antsika hiaina.
Nefa na inona na inona fanahiana mahazo antsika, dia misy famonjena anafahana antsika. Na inona na inona zavatra mampanahy antsika araka ny voalaza eo ambony, ny famonjena dia izao: Vavaka.
Aza hidina ao am-ponao ny fanahianao. Tsy azo atao ny matory ao amin’ny efi-trano feno setroka, fa tsy maintsy vohana ny varavaran’ilay efi-trano hialan’ny setroka. Torak’ izany, tsy azo atao ny mitana ao am-po ny fanahiana, fa ny mety dia ny ambara na aseho amin’ Andriamanitra; rehefa ambara Aminy izany dia esoriny.
Eny, voalaza eo ambony koa ny hoe fisaorana. Na dia tsy mbola nesorina taminao aza ny fanahianao dia misy zavatra azo isaorana an’ Andriamanitra amin’ny zavatra efa azonao, dia omeny anao koa izay tsy anananao. Ka dia ho afaka amin’ny fanahianao hianao. Andramo ireo teny ireo dia ho hitanao fa marina.