Salamo 17:15

 » Aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha « .

 » Raha mifoha aho  » – mifoha avy amin’ny torimaso-panahy renoky ny fahotana, donton’ny zavatr’ ity tany mandalo ity, voasinton’ny zavatra mora levona. – Raha mifoha hianao dia hahita Azy, mahita fa Izy no Mpisolo anao, mahita Azy ho Ilay Zanak’ ondrin’ Andriamanitra manaisotra ny fahotanao, mahita Azy voaratra mafy ka tonga maharikoriko ny endriny noho Izy nitondra ny aretintsika sady nivesatra ny fahoriantsika, mahita Azy ho Ilay be voninahitra indrindra. Izay tia anao olona mpanota, ka mamela ny helokao. Raha mifoha hianao dia ho faly na afa-po fa mahita ny endriny na ny tenany.

 » Raha mifoha aho »: amin’ny fahazavan’ny marainan’ny fitsanganana amin’ny maty dia hohitanao Izy Mpamonjy anao. Ho hitanao Izy araka izay tena endriny tokoa, ka ho afa-po indrindra hianao.

 » Raha mifoha aho  » – mifoha isa-maraina – isaky ny miposaka ny andro dia afa-po fa mahita ny endriny, na ny tenany. Na inona na inona asa ataonao, raha mifoha am-panahy tokoa hianao, dia hahita Azy ny masom-panahinao, ka ho afa-po hianao, hahita an’ Ilay malala Izay tia anao indrindra mihoatra noho ny fitiavan’ny olona rehetra. Koa jereo Izy ka diniho ny Aminy.

Laisser un commentaire