» Maty isan’andro aho « .
Samy ho faty isika rehetra. Nantsoina ho faty ny kristiana – ho faty isan’andro. Mananontanona antsika ilay zavatra mahatsiravina dia ny fahafatesana. Hanorotoro antsika izy ka hahatonga antsika ho vovoka.
Ny fahafatesana isan’ andro izay miandry antsika eo anoloantsika dia mainka mahatsiravina kokoa. Hamely antsika izy ka haha-tsinontsinona antsika. Ny fahafatesana isan’ andro dia hihatra amintsika amin’izao isika mbola miaina eto an-tany izao.
Mora na hoe maivana ny maty indray mandeha noho ny maty isan’ andro. Ny ataon’i Paoly eto hoe » aho » dia ny Adama ela ao aminy, ny izahony, ny tahony fijaliana amin’ny fanarahana an’ i Jesosy, ny sitrapo ratsy ao aminy, ny fanirian-dratsy ao aminy, ny fitsiriritam-boninahitra. Izany rehetra izany dia tsy maintsy maty ao amin’ny kristiana. Nefa raha maty isan’ andro ny olona dia mahazo aina tsara vaovao. Raha maty ny vary afafy dia misy vary vaovao betsaka jinjaina avy amin’ izany. Izay mankahala ny ainy dia hahazo azy. Izay mety ho faty isan’ andro dia ho velona mandrakizay.
Mba te-ho faty isan’ andro va hianao ?