» Indro, mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany ( na ny fahasoavany ). «
Mifanohitra ny hoe: Indray mipi-maso sy ny mandritra ny andro iainana. Inona ny indray mipi-maso, raha ampitahaina amin’ny mandritra ny andro iainana? Nefa inona ny fahatezeran’ Andriamanitra raha ampitoviana amin’ny ( fahasoavana ) fankasitrahany ?
Azonao atao ny mitsapa ny fahatezeran’ Andriamanitra aminao. Na dia indray mipi-maso aza no itezeran’ Andriamanitra amintsika dia toy ny fotoana maharitra. Kanjo vetivety ihany. Voatsapantsika izany.
Nefa maharitra mandritra ny andro iainantsika kosa ny fahasoavany. Tsy mitsahatra na oviana na oviana izany. Aza manahy ny zavatra mbola ho avy. Mandritra ny andro iainanao dia omeny fahasoavana hianao.
Ny indray mipi-maso dia sombiny kely bitika amin’ny andronao rehetra. Fa ny fahasoavana kosa maharitra amin’ny andro rehetra iainana. Ary izao: Raha renao fa tezitra aminao Andriamanitra dia aoka hazava aminao fa ny fahasoavany na fankasitrahany anao koa izany.