Salamo 107:12

 » Dia nampietreny tamin’ny fahoriana ny fony « .

Mafy noho ny vy ny fon’ny zanak’olombelona. Feno fahendrena sy be fitiavana Andriamanitra, ka te-hanome saina ny olona. Tsy tanteraka izany anefa raha tsy torotoro na mietry izany fo mafy izany.

Na dia ny kristiana aza dia misy izay miavonavona sy tsy folaka. Tsy isalasalana fa mangataka mba ho tonga olona manetry tena ny zanak’ Andriamanitra sady manao amin’ Andriamanitra hoe:  » Hatao anie ny sitraponao.  » Nefa vantany vao manomboka manatanteraka ny valin’ilay vavaka Andriamanitra dia mihemotra ilay mpangataka ka manao amin’ Andriamanitra hoe: Nahoana aho no ataonao toy izao na nahoana no toy izany no ataonao amiko?

Noho izany dia tsy maintsy mafy ny fitondran’ Andriamanitra ny olona manao izany. Raha ho folaka ny mafy toy ny vy sy tia tena, dia tsy maintsy ho amin’ny famaizana mahamay toy ny afo no anaovana izany. Ary matetika maharitra ela ny fotoana. Ny afo mirehitra fatratra dia mahatonga ny vy ho mena mivaivay sy malemy. Ny famaizana dia manalemy ny fo mafy toy ny vy, ka mitarika ny tompony hanolo-tena ho an’i Jesosy.

Mila ny famaizan’ Andriamanitra hianao. Valin’ny vavaka fangataham-pitahiana amin’ Andriamanitra ny amaizany anao. Ny fijaliana mampangirifiry dia afom-pitiavan’ Andriamanitra; ka mahasoa ny fisiany. Aoka hatolotrao an’i Jesosy ny fonao. Tsy maintsy mijaly ny saina aman-kevitra mbamin’ny tena hahatonga ny fonao hahay mietry.

Laisser un commentaire