» Hianao mampisikina ahy hery hiady « .
Sarotra ny adim-piainana. Ilana hery ny hiady. Maro ny mpiady sasatra eto amin’ity tany ity. Tahaka izany koa ny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny zava-dratsy rehetra dia fahavalontsika. Noho izany dia mafy ny ady am-panahy.
Nefa manana hery ho enti-miady ny zanak’ Andriamanitra. Hery tsy fantatry ny zanak’ izao tontolo izao izany. » Hianao manikina ahy hery hiady » – hoy ny teny eto. Noho izany na dia mety ho sasatra sy kivy aza ny kristiana dia tsy mamoifo; fa misy hery horaisiny mandrakariva.
Voasikina hery ny kristiana. Ny fehi-kibo dia manome hery ny olona hiasa sy hiady. Afehiny ny tenany izy, ka voangona ny heriny. Ny fiainana mihevaheva, tsy voafehy dia tsy manan-kery, ka tsy vonona hiasa sy hiady. Koa aza avela hivezivezy ny sainao fa fehezo. Ohatry ny hery ny fehi-kibo. Koa dia misy ny atao hoe fehi-kibo fanatanjahana. Ary Andriamanitra tenany no te-ho fehi-kibo – hanatanjahana ny zanany amin’ny ady. Dia aza matahotra fa misy ny hery ho enti-miady. Fa Jehovah no hery ho anao na fehi-kibo fanatanjahana ho anao.