» Dia nandeha teo afovoan’ny ranomasina nandia ny tany maina ny zanak’ Israely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany « .
Mahatalanjona ny famonjen’ i Jehovah. Ny rano tokony ho nilentehan’ny Israely hahafaty azy dia tonga famonjena azy kosa. Ny onjan’ny ranomasina izay tokony ho namono azy dia tonga fefy amin’ny andaniny roa, ka namonjy azy. Ny ranomasina izay azo lazaina hoe misakana ny làlany ka hahatonga azy ho olona tsy manam-piadiana ho mby eo an-tànan’ny fahavalony, dia nanjary fasana lena ilevenan’ny fahavalony sy famonjena mahagaga ho azy.
Izay nataon’ Andriamanitra tamin’ny Israely dia tiany hatao aminao koa. Aza matahotra izay zava-manahirana midona aminao. Tsy mijery anao fotsiny ao anatin’ny fahasahiranana Izy fa manafaka anao, ary mampiasa koa izay nihatra taminao hamonjena anao sy ho fitahiana anao sy izay anao rehetra. Miankina amin’ny fahatokianao Azy no hahazoanao ireo soa ireo.