Salamo 136:1

 » Miderà an’i Jehovah fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony ».

Ity Salamo 136 ity dia misy and. 26. Ary samy hafa ny hevitra ao amin’ny isan’ andininy. Nefa ny fiafaran’ny andininy rehetra tsirairay dia ny hoe: Mandrakizay ny famindrampony.

Ny anankiray amin’ny andro iainanao dia azo ampitahaina amin’ny andininy anankiray amin’ny hira. Nefa izy rehetra mitambatra dia azo anaovana teny iray koa hoe: Mandrakizay ny famindrampony. Milaza ny tantaran’ny Israely ity Salamo faha-136 ity: mitantara ny amin’ny fahavalony, ny amin’ny adiny, ny amin’ny fahafatesana nihatra taminy, ny diany tany an’efitra, ny fiovan’ny toetrany, ny loza hafa maro nihatra taminy, ny fahavalony nitranga taminy taoriana; nefa re mandrakariva tao am-bavany ny teny hoe: Mandrakizay ny famindrampony.

Miovaova ny fiainan’olombelona. Saiky misy zava-baovao mitranga isan’andro. Na dia mahazo fanampiana amin’ny zava-manahirana anankiray aza isika, dia misy anankiray hafa koa miandry antsika. Nefa ny fantatra marina tsy isalasalana dia izao: Mandrakizay ny famindrampon’ Andriamanitra. Ny fahasoavan’ Andriamanitra no hany zavatra tsy miova amintsika. Ny fiafaran’ny renirano dia ao amin’ny ranomasina. Tahaka izany ny andron’ny kristiana rehetra, dia miafara amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Noho izany dia miderà an’i Jehovah fa tsara Izy.

Laisser un commentaire