1 Samoela 2:4

 » Tapaka ny tsipikan’ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery « .

Na dia lehibe aza ny herin’ny olona lavitra an’ Andriamanitra, dia ho tonga tsinontsinona.  » Tapaka ny tsipikan’ny olo-mahery » hoy ny teny eto. Ka aza matahotra ny herin’ny olon’izao tontolo izao. Ny manana an’ Andriamanitra no mahery indrindra. Fa Izy no handresy amin’ny farany.

Aza matahotra noho ny fahosanao. Aza kivy noho ny faharerahanao. Mangataha hery amin’ Andriamanitra. Homeny fialan-tsasatra ny reraka.

Tiany hampaherezina ny ketraka. Tiany homena toky ny saro-tahotra raha miady.  » Tiany ho sikinana hery ny reraka « .

Mety ho solafaka na lavo amin’ny fandrika tsy hita maso ny olona; na noho ny fivilian-dàlana na noho ny fahasasarana, izay solafaka dia mety ho lavo; nefa raha lavo hianao dia mitsangàna indray. Fa misy famelan-keloka sy hery ao amin’ Andriamanitra.

Mampanantena anao Andriamanitra anio hoe: Hosikinana hery ny reraka.

Laisser un commentaire