Hebreo 2:1

 » Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. »

Voalaza eto hoe: Fandrao hindaosina hiala isika. Hasiana ohatra ny hoe hindaosina, dia ity: Raha tonga ao ambonin’ny rano maria na riaka ny lakana, dia mandeha tsy voizina satria indaosin’ilay rano maria na riaka. Tonga eto an-tany isika ka maro ny zavatra misarika antsika hiala amin’ Andriamanitra. Koa tokony hitandrina isika, eny, hitandrina mafy aza mba tsy ho voatarika na tsy hindaosina hiala amin’ Andriamanitra.

Eto dia voalaza hoe: Tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika. Izao no hevitr’izany: Ny tenin’ Andriamanitra izay rentsika hatry ny fahazazantsika ka mandraka ankehitriny. Ny efa re sy ny efa novakina. Be ireo, eny, tsy tambo isaina. Nefa tsy mahasoa antsika ireo rehetra ireo, fa hiampanga sy hanameloka aza, raha tsy tandremantsika mafimafy kokoa hatrany.

Mahery ny riaky ny fiainan’olombelona. Mitarika antsika hiala amin’ Andriamanitra izy, ary manintona antsika hanadino ny tenin’ Andriamanitra rentsika sy novakiantsika. Isika koa moa indaosina hiala; mora tarihina hanadino. Noho izany dia tena mila zavatra hiraiketana amin’ Andriamanitra isika, raha tsy izany dia hindaosin’ny riaka.

Ny zavatra hiraiketantsika na hitanantsika tsy ho voarirotra hiala amin’ Andriamanitra, dia ny tenin’ Andriamanitra indrindra, izay tsy zavatra hafa akory fa tenin’ Andriamanitra izay efa rentsika sy efa voavakintsika.

Inoy ny tenin’ Andriamanitra. Aoka hiaina manaraka ny tenin’ Andriamanitra hianao sy izaho. Aoka ny tenin’ Andriamanitra dia ny Baiboly, ho fatotry ny fiainanao. Raha manaraka azy hianao, dia tsy ho voarirotry ny riaka; izany hoe: tsy ho voataonan’ny ratsy hiala amin’ Andriamanitra.

Koa tandremo izay efa renao fandrao hindaosina hiala amin’ Andriamanitra.

Laisser un commentaire