Jaona 3:30

 » Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. »

Tsy azo atao ny voalohany raha tsy eo ny faharoa. Ny olona tena zanak’ Andriamanitra dia maniry indrindra ny hahalehibe an’i Kristy ao am-pony. Vitsy anefa ny te-ho kely sy ho tsinontsinona. Nefa raha tsy mihena isika, dia tsy ho lehibe ao amintsika Izy. Mety ho mamintsika ihany ity teny ity, nefa mazana dia teny foana ataon’ ny vava ihany, na dia mangataka aza isika hoe: Aoka hihena aho mba hitomboan’i Kristy ao amiko. Rehefa voavaly izany vavaka izany, ka miantomboka ho tanterahina amintsika, dia te-hanafoana ny vavaka efa nataontsika isika, na manenina fa nangataka izany.

Iza no tena maniry hihena? Iza no mahazaka hatao ambiny? Iza no sahy mandinika tokoa ny toe-tenany hahalalany ny tsi-fahombiazany; toy ny fitiavany voninahitra, ny fitiavan-tenany, ny fahalotoan’ny heviny, ny tsy fananany fitiavana namana, eny, hahafantarany mazava fa feno faharatsiana ny fony; ary ny antony anaovany asa dia voapoizin’ny hoe:  » Izaho », izany hoe: voapoizin’ny fitiavan-tena.

Nefa raha mahalala ireo isika dia tonga lehibe ao amintsika Jesosy. Koa arakaraka ny halehiben’ny ahalalantsika izany no maha-lehibe an’i Jesosy ao amintsika. Raha mihena isika dia mitombo Jesosy. Sahinao va ny manao amin’ Andriamanitra hoe: Aoka aho hihena mba hitomboan’ i Jesosy?

Laisser un commentaire