» Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra. »
Mba misy fiarovan-tsaina ihany ao am-pon’ny kristiana marina. Kivy ny maro mahatsapa izany; eny, mila hamoifo aza izy ka manameloka ny tenany. Raha mahalala izany izy, dia miteny anakam-po hoe: Mpihatsaravelatsihy aho. Ajanony anefa izany fanomezan-tsiny izany. Fa ny marina dia izao: Ny fiainan’ny kristiana dia ahitana ny fivoaran-tsaina. Koa matahora raha miala am-ponao io fahatsiarovana io.
Tsaroan’ny kristiana mandrakariva ireto zavatra telo ireto: Malahelo, mahantra ary tsy manana na inona na inona. Nefa izao no tena lazain’ Andriamanitra ny aminy: Faly mandrakariva izy, mampanan-karena ny maro ary manana ny zavatra rehetra.
Arakaraka ny idiranao bebe kokoa ao amin’ny alahelo sy fahantrana ara-panahy no mahasambatra anao kokoa sy mampanan-karena anao ara-panahy koa. Arakaraka ny ahatsapanao ny tenanao ho malahelo am-panahy koa no mahatonga anao hampanan-karena ny maro. Fa ny olona mahantra sy ny manetry tena no tian’ Andriamanitra hampiasaina indrindra. Raha mahalala tena ho tsy manana na inona na inona hianao, dia tena manana ny zavatra rehetra.
Tahaka izany ny toetra maha-kristiana.