Genesisy 13:8-9

 » Ary hoy Abrahama tamin’i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roalahy, fa mpirahalahy isika.
Raha hianavaratra hianao dia hianatsimo kosa aho; raha hianatsimo hianao dia hianavaratra aho ».

Tenin’ Andriamanitra aminao koa anio ny hoe: Tsy mendrikka amin’ny olon’ Andriamanitra ny miady amin’olona na mifanditra amin’olona. Aoka tsy hifanditra na amin-javatra kely indrindra aza.

Zava-dray loha no hataon’ny kristiana dia izao: Mandefitra. Aoka hifidy ny olona na hianavaratra na hianatsimo, dia izay sisan’ny fidiny no ho antsika: satria kristiana isika. Tsarovy fa rahalahintsika sy anabavintsika ny namantsika. Aoka hanetry tena isika. Fa Jesosy nahafoy ny fitoviany amin’ Andriamanitra noho hianao, eny, noho isika. Koa dia rariny amintsika ny mahafoy zavatra noho Izy.

Ny fijaliana dia tsy misaraka amin’ny fanarahana an’i Kristy. Tena tandrify tokoa ny fahafoizantsika zavatra noho i Jesosy. Izay mpanaraka an’i Kristy dia ny mangina sy maneho fitiavana ihany na dia levilevena sy ampahoriana aza.

Ny toe-piainan’i Abrahama dia nisehoan’ny fitahian’ Andriamanitra azy. Nahazo ny tany Kanana, ilay tany tsara indrindra, ho lovan’ny taranany i Abrahama. Ny harena avy amin’ Andriamanitra dia manaraka mandrakariva ny olona mandà tena hahazoan’ny hafa soa.  » Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. »

Laisser un commentaire