» Fa Andriamanitra, Izay efa nampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay … »
Ry havana azon’ny hakiviana. Tonga mampionona anao ny Tompo ankehitriny. Tsy manome tsiny anao noho hianao kivy ny Tompo. Fantany hianao fa efa tonga olona koa Izy ka nahatsapa ny maha-sarotra ny fiainana araka ny maha-olombelona. Mazava amin’i Jesosy mihitsy ny toe-javatra mahaketraka na mahakivy ny olona.
Avy manatona anao Izy ankehitriny. Tonga eo aminao, mahalala ny manjo anao Izy; miaraka ory aminao; tonga ao aminao noho ny fitiavany anao. Raha ny fahotanao no mahaketraka anao – angamba misy ota ngezabe na maro na anankiray nahavoa anao – dia mibitsika aminao Izy ka manao hoe: Voavela ny helokao. Raha misy zavatra mampanahy na sarotra manahirana anao dia tonga aminao Izy ka mampahatsiaro teny iray anao; izany teny izany dia hoe: Ray; izany hoe Rainao Andriamanitra. Fa raha ny Tsitoha, mahefa ny zavatra rehetra no Rainao dia inona no hatahoranao? Koa na ny fanahinao, na ny tenanao, na ny fahasalamanao tontolo, na ny momba ny fiainanao rehetra amin’ny ho avy, na ny ankohonanao mbamin’izay rehetra mety ho anao, dia eo am-pelan-Tànany avokoa, ka moa tsy mampifaly anao va izany? Eny, tena fampiononana tanteraka izany.
Eny, na dia tsy tena fantatrao mazava aza ny foto-javatra mahatonga anao ho kivy, dia tonga aminao ny Mpamonjy ka mampionona anao manao hoe: » Tiako hianao ». Tsy fampiononana lehibe ho anao va izany?