Efesiana 3:20-21

 » Izy izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza; ho Azy anie ny voninahitra ».

Mihoatra noho ny zavatra rehetra! Araka ny hevitsika olombelona dia tsy misy ny hoe: Manao mihoatra noho ny zavatra rehetra.

Efa vita ny famoronana ny zavatra rehetra, ka inona koa no azo atao mihoatra noho izany? Mahay manao mihoatra noho izay angatahintsika Izy, mihoatra noho izay heverintsika. Eny, ka isaorana anie Andriamanitra noho izany. Nefa manao mihoatra noho ny zavatra rehetra koa Izy.

Hoatry ny teny foana ny hoe: Mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra; nefa teny marina izany. Teny be voninahitra tokoa ary teny tsy miova mandrakizay. Mihoatra lavitra noho izay tratry ny sain’olombelona ny heriny; ary tsy azo ferana fa mahatakatra any ankoatr’izay misy ny fahasambarana tanteraka.

Mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra Izy. Ny tsi-finoanao ihany no nahatonga anao hanisy fetra ny herin’ Andriamanitra. Raha avelanao hanao zavatra araka ny heriny Izy dia ho fantatrao fa mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra Izy. Amin’izay koa hianao dia hanao hoe: Ho Azy anie ny voninahitra.

Laisser un commentaire